Boky Faharoan'ny Mpanjaka
Toko faha-25
1 Tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Sedesiasa, tamin'ny volana fahafolo, andro fahafolon'ny volana, dia tonga hamely an'i Jerosalema Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona sy ny tafiny rehetra; dia niorin-dasy teo anoloany izy, ary nanao manda fanantomorana manodidina azy.2 Natao fahirano hatramin'ny taona faharaika ambin'ny folo nanjakan'i Sedesiasa ny tanàna. 3 Tamin'ny andro fahasivin'ny volana, nony efa mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy mofo intsony ho an'ny vahoakan'ny tany,
4 dia nobangaina ny tanàna, dia lasa nandositra avokoa ny lehilahy mpiady, nihazo ny lalan'ny vavahady anelanelan'ny manda roa, akaikin'ny zaridainan'ny mpanjaka; ny Kaldeana amin'izany manodidina ny tanàna eo. Ny làlana mankamin'ny Arabah no nalehan'ny mpanjaka. 5 Nenjehin'ny tafiky ny Kaldeana ny mpanjaka, ka trany teo an-tany lemak'i Jerikao; dia niparitaka lavitra azy ny tafiny rehetra. 6 Nony voasambotr'izy ireo ny mpanjaka dia nentiny niakatra ho any Rebla, amin'ny mpanjakan'i Babilona, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy ireo. 7 Ny zanakalahin'i Sedesiasa novonoina teo anatrehan'izy rainy. Rahefa izany, dia nopotsirin'i Nabokodonosora ny mason'i Sedesiasa ary nafatony tamin'ny gadra varahina roa izy, dia nentina nankany Babilona. 8 Tamin'ny volana fahadimy, andro fahafiton'ny volana, taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona, dia tonga tao Jerosalema Nabozardana, kapitenin'ny mpiambina mpanompon'ny mpanjakan'i Babilona.
9 Nodorany ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin'ny afo avokoa ny trano lehibe. 10 Ary noravan'ny tafiky ny Kaldeana rehetra izay niaraka tamin'ny kapitenin'ny mpiambina, ny manda mamaritra manodidina an'i Jerosalema. 11 Nentin'i Nabozardana kapitenin'ny mpiambina avokoa ny vahoaka sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ny mpilefa nitolo-tena tamin'ny mpanjakan'i Babilona, ary ny vahoaka be sisa rehetra,
12 fa olo-mahantra tompon-tany vitsivitsy sisa navelan'ny kapitenin'ny mpiambina ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.
